<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>711</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tompo ô, endrey ny fitahiana
 Izay natondrakao ny zanakao
 Vory eto, feno fifaliana
 Ampoky ny fahasoavanao.
 Izay rehetra nikelezan'aina
 Dia nombàn'ny fitantananao
 Vonona avokoa izay nilaina
 Tsy mba lany ny harenanao.

[V2]
 Indro trano efa novitaina
 Hanasoavana taranaka
 Hitaizàna, hanolokoloana
 Ireo tanora halain-tahaka,
 Izay voafafy, antenaina
 Mba hamokatra tsy tapaka ;
 Dia ho vanona ny firenena
 Ka hitombo, hisandrahaka.

[V3]
 Izany re, ry Tompo, no
 finoana
 Tananay, ka mba herezonao,
 Izahay handroso tsy hivoana,
 Eo ambany fiarovanao,
 Ka ny fangataham-pitahiana
 Tompo ô ! akarina Aminao
 Ny Anaranao no iaingàna
 Hoderaina ny Anaranao.</lyrics>
<title>Tompo o, endrey ny fitahiana FFPM711</title>
</song>